ZAVA-KANTO (ZOZORO)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ZAVA-KANTO

Kintana mamirapiratra amin'ny alina mangina
Iantefan'ny nofinofy any an'habakabaka any,
Misy bitsika mankeny, misy amboaram-panirina
Moa tsy zava-kanto izany ?
Saingy izaho tsy mahita ny hasambarana omeny
Tsy morotsaka hahalala, tsy miteny, tsy mandre
Fa ny saiko sy fanahy no tsarovako manjeny
Mitady izay aleha.

Volana mangasohaso, maontomaontona fijery
Tanisain'ny fo mitia saraka any lavitra any,
Manazava ny haizimbe na dia hita manirery
Moa tsy zava-kanto izany ?
Saingy izaho tsy miraika amin'izany rado izany
Ny antony efa fantatrao ka ho lazaiko indray ve ?
Ny eritreritro rehetra, injany lasa, lasa ihany
Mba maminany izay aleha.

Rahona manifinify sy manjavozavo ombieny
Mampisinda ny alahelo, lasana any ny tomany
Injany miova kalokalo ny amboaran-teniteny
Moa tsy zava-kanto izany ?
Saingy tsy henoko ny kalo, fahanginana no misy
Tsetsetra anaty fo, izany ihany izao no re
Fa ataoko indray manao ny misotro ity kalisy
Ampisainana ny aleha.

Alabe mijoalajoala ilalaovam-boron-dia
Misy zava-tian'ny maro, mahatonga haminany
Izany mponina ao mpihira ! Izay dia maha te-ho tia
Moa tsy zava-kanto izany ?
Saingy an'ny olon-kafa, tsy natao ho ahy ireny
Tsy natao ho ahy mihintsy, tsy anjarako vare ?
Asa ! Fa tsy haiko koa, ny eritreritro manjeny
Aiza re ity aleha ?

Renirano mahavarina tsy hita fihafarana akory
Tanimboly maitso mavana toy ny Edena tany ho any
Izao tontolo izao misento rotsiany mba hatory
Eny zava-kanto izany !
Eny kanto tena kanto, toy ny kanto rehetrarehetra
Fa izaho no tsy mahita izay lalana aleha
Ny fanahiko tontolo ngolingoly sy mitsetra
Nilaoza-tiana, ho aiza re ??

Eny izao miseho izao, fanafody lavorary
Dia ny "izao tontolo izao" (voaray ao ny tany)
Anjakan'ny olom-belona, ifalian'izay ary
Efa zava-kanto izany
Saingy izaho tsy manjaka, ny eritreritro no be
Tonom-bavaka no alefako mba ho ren'ilay Avo
...Atoroy ahy izay aleha...


Zozoro
--------
Lien:
1325 2
Fans: Zozoro - mangamaso
Commentaires
Zozoro ( 24/08/2008 18:37)
Rehefa ilaozan'ny tiana dia toa ngazana izao rehetra izao.
benasy ( 13/01/2009 10:54)
Mampatahotra ahy indraindray ny tsambikin'ny vinaninao hanakatra ny tsy hita pesipesenina...
Fa, tsy maintsy ho aloka no itafànao ao anaty maizina, nefa irinao hofihinina... Tiako anefa ny vetsonao!
Zozoro ( 13/01/2009 17:31)
Misaotra benasy.
Misy ny alokin'ny misy...
mangamaso ( 04/08/2009 16:23)
Vetsovetso izany, moa tahaka izany koa ny fianinana !
Mankasitraka 😊.
mangamaso ( 04/08/2009 16:24)
Vetsovetso izany, moa tahaka izany koa ny fiainana !
Mankasitraka 😊.
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149