Zandry malala (alfantomas)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ZANDRY MALALA

Zandry ah!!!!
Mba firifiry moa lesy reo tanora toa antsika
Anivom-pitolomana fa mamelona ankohonana?
Ireo nahitany ny masoandro tsy mahavelona azy intsony
Ka dia midonaka any am-pony...
Hambom-po tanora
Te handresy ny habadoana
Te handresy tsy fisiana
Te handresy ny fiainana
Saingy....
Saingy indrisy
Fa ny hoeti-manana no ts'isy

Zandry ah!!!
Saingy mbola toa izao ve lesy ialahy dia hanapatra ny ditra
Tsy mba mihevitra akory izay mbola hiafarana?
Ka miliba sy mania, manapatra hadalana?

Zandry ah!!!
Izay tsy mety lesy, aoka mba hialana...
Jereo anie ialahy mbola mihaingo sy mitafy
Raha resaka sakafo, ialahy angaha mba mihafy?
Fa saingy mba niangaran-Janahary ve dia mirehareha?
Zandry ah, mihevera kely lesy fa ny taona anie mandeha
Ialahy variana anaty revy, mba mana-kantenaina ve?

Zandry ah!!!
Misaora lesy ny ao Ambony fa mbola nomeny antsika
Farim-piainana sahaza, tsy dia ambany loatra
Farim-piainana milamina
Farim-piainana antonony

Zandry ah!!!
Ireo anie jereo, izay manodidina fa feno fahoriana
Anaty ady mangotàna,anaty tolona mangidy, anaty fihafiana
Nefa isika jereo, mbola eo avokoa na i Dada na i Neny
Dia isika indray ve lesy no hanjary hanahaka azy ireny?

Zandry ah!!!
Antso lesy no ataoko an'ialahy amin'ny maha-Zoky
Raha ny hanery aloha, sarotra ny manome toky
Fa efa ialahy lehibe,mahalala tsara izay mety sy hombana
Saingy mitandrema ihany, manko ny lalàna malama...
--------
Rohy:
1736 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : alfantomas
Nampiditra : alfantomas
Daty : 26/11/2014 13:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107