"KALOKALO" (Antsa tononkalo.R)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Setriny ho an' Raozy,

Ngolingolin'ny fahatsiarovana aho, mievinevina samy irery ;
Manavia ny hanadino ka solafaka mahatsiahy...
Ravina sara-taho, singan'olona toa ho very :
Lavitra anao ka very dia, mamindra eny *an-tany hay !

Kotsakotsan'ny alahelo aho, maninamina aok'izany,
Te hanafatra voro-mody, misentosenton'ny hoe "Andraso"
Fa singan-drery ny *lavi-tiana, Oriory ny *lavi-tany :
Toy ny volana hanohano, mandomandon'ny rano maso !


Mahatsinjotsinjon'ny faratazana, ka manjombona ny fijery ;
Topi-maso natorako any, hany sisa mba farahery :
Hikotrehana nofinofy, kanjo, embonembona re no foy !

Sentom-borona voageja ny ahy, tsy mitony raha ts'efa mody ;
Fo mararin'ny fitia ka tsy hita izay fanafody :
Raha tsy mby eo an'ilanao, "Tsy ho sitrana,Aho, re *Roy" !

Antsa Tononkalo.R na A.T.R 19:05 volana May in *Hianao no mahalala.
_Tany hay : tany efitra (désert)
--------
Rohy:
944 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0124