"Mialohan'ny zavatra rehe (Antsa tononkalo.R)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Mialohan'ny zavatra rehetra"(avant et dernier chapitre)

_Teo ampitsakotsakoana ilay tononkalona mpahay tononkira, tao an'eritreritro aho,
tamin'ny ora mahalasa vinany tao anatin'ny fanireriko, izay fanaoko mazàna, ao anaty fahanginana :
(...)

Hamafiso zaitra ny sisi-molotrao
fa mainka hitombo tsiro ny rakitry ny fo
Filamatra iray no holazaiko anao
Ny tia fa tsy miteny no tena tia tokoa
hoy "RADO"

(...)
_Teo indrindra aho no nahatsiaro ireo lasa. . . toy ny rivotra mila hitsoaka ny aiko! -Toa labozia miptsilopilopin'ny ela, efa madiva hitsonika. . .
Ka nahatsapako, fa, miserana toa aloka ny andro izay mandalo, fandrao hoy izaho, tsy hanana fotoana hilazana izany intsony !
_Tsy hoe mitaika manko ny voalohan'orana, vao ho fantatra fa manomban-ko avy izy ?
-Fa ny rahona mandondondondona eny, dia efa hahatsinjovana izany avy lavitra !
Eny iky, akaiky ny farany !
(...)
Koa "Mialohan'ny zavatra rehetra,
alohan'ny hamohizako anao"
_Tiako havoaka Hitàny, ilay fitiavana, teraka, efa ela tao am-poko . . .
*Tahaka ny "Voromailala" tao anaty "cage" izay sinambitro tsinahy, teo am-pahitana anao voalohany,
-ilay fitiavana tao am-poko, fifaliko, fahasambarako sy satriko mba hihira sy hanao fihirana ho ahy foana, hatrany. . .
_Kinjano, rehefa ela ny ela. . . Nanjary toa hira mitolokoloko lava no lasa fikalony, Izaho avy no lasa manjombojombona ka na ny androko aza, maloka !
Ary tamin'ny izany andro, no nahatsapako fa mijaly ny fitiavako.
-Nahatapa-kevitra ahy, hamoaka ilay "Voromailala" nohidiko, gadra ela, t'anatin'ny foko. . .
Ho eny amin'ny habakabaka sy ny tontolony,
ka hamela azy ho amin'ny fahafahany !
-Mba hisidisidina indray eny an'ilany "malalany", Asa!. . . mba hanao fihirana ho anao ihany koa izy. Iza no mahalala?
(...)
_Tsy mba tambo akory ny hanaovako izany, na, Fitia tiana hamboramboraka fotsiny ny ahy, fa tsy hay nokobonina intsony, tao anaty. . . Toa afo mandoro !
Satriko aza, ho tazonina ela, ho ahy samy irery, ihany .
-Hihirahira ao anatin'ny fahanginako, amin'ny andro mahalasa vinany; -izay fanaoko mazàna, ao anaty fanirery !
Eny iky ! -Fa ny fotoana no mametra ahy !
_Koa "Mialohan'ny zavatra rehetra,
alohan'ny hamoizako anao" . . .
Mba maniry koa aho raha naniry, ny hizara, ny tsy ambarambara havana niafinafina tany anatiko tany, ary hoy izaho :
Tamin'ny foko manontolo,
"TIAKO HIANAO" ary tia anao ny "Foko" !

__Ry Poezia- malalako !

Antsa tononkalo.R . . . Hianao no mahalala
--------
Rohy:
548 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01