Fo maratra (Arlisoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fendrofendro sisa reko,tao anaty foko tao.
Ontsa nefa atao ahoana,fa izay no tinao.
Maratra mafy ny ao anaty,satria tokoa lasa ianao.
Anjara sa safidy raha toa aho nitia anw?
Reko zany lefom-pohy,natsatokao ny foko.
Antso vonjy maro no nodradraiko sy nantsoiko.
Teny mafy sy mangidy no nasetrinao izany.
Ranomaso sy toloko no mba fifaliako an-tany.
Asakasakao ry tiako,fa anio aho hitomany!
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
4755 2
Hevitra mandeha
Nofy2 ( 02/10/2014 08:43)
Mahaiza manadino


Efa nanadino ve ilay notiavinao?
Ka mamoy fo @ zavatra atao?
Izao no tsarovy miletinka ao an-doha
Fitia an-katerena tsy mitondra soa


Tsy diso akory ianao raha mitia azy
Ny azy koa misy antony raha mandao anao
Manana hambom-po aza mandadilady
Na miangavingavy rehefa tsy tia ialao


Tsy izy irery akory no olona eto an-tany
Ka mandratra fo fa izy irery ihany
Jereo ny manodidina be dia be ny tsara
Amin’ireo angamba no mety ho anjara


Avelao handeha raha hita tsy azo tanana
rehefa tsy tamana aza mba sakanana
Omeo tsondrano koa hahita ilay hotiaviny
Irario ny fiainany ho tojo izay tadiaviny


Izao no ataovy an-tsaina ho tanjona ho tratrarina
Mahaiza manadino ny olona notiavina


Nofy2 17 Octobre 2006
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Arlisoa
Nampiditra : Arlisoa
Daty : 03/09/2014 16:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093