Fitiavana... (AZRAEL)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Angamba tsisy fahorianaToy ny mitia mangina
Ka mila tsy ho tanty
Fa mandoro ny ao anaty
Angamba tsisy tsara fiafara
Toy ny fitia voarara,
Fa rehefa ela ny ela
Dia mahazo fandresena
Angamba tsisy mamy
Amin'ny fiainana eto an-tany
Raha toa ka sanatria
Ka tsy nisy ny fitia
--------
Rohy:
Sokajy :
Eritreritra mandalo - Fitiavana
Mpakafy:
Azrael666
