MANJA (Bade RaAnRaMa)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza miandry sitraka na doka avy amin'ny hafazay vao hahatsapa ny lanja entinao,
toavy sy efao ireo zava-nokinasa
dia manja foana ianao amin'ny maha ianao anao !
tsy misy fandrefesana ny hatsaran-tarehy
na fotsy ianao na mainty na mavo toy izao,
raiso ho filamatra ary ataovy rehareha
fa MANJA FOANA IANAO AMIN'NY LOKO ENTINAO !
Bade Raanrama
--------
Rohy: