NY TENA TIA (Clarisse Ratsifandrihamanana)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tena olon-tiaTsy ilay mitia tanatin’ny tantavana
Ny hany mavamavana,
Ny hany feno aina :
Felana tanora
Manindrahindra saina,
Malambo sy bakora…
Tsy ilay mitia
Ny bika mijaradona
Mandrendrika ny dia
Anivon-gadongadona.
Na ilay mitia
An’andro mibaliakan’
Ny hira sy ny dihin’
Ny endrika sariaka…
Tsy ilay mitia
Tsanganana tomady,
Na ny mpankafy
Ny andro lavitra ady.
Tsy ny mpankamamy
Ny hany taona zina,
Ny mamy tsy ho lany
Mitondra fifaliana
Ny hanitra aelin’
Ny tohotra tantely.
Tsy ilay mirehaka
Rehefa injay mipoaka
Ny ombain’ny tehaka
Sy hobin’ny vahoaka.
Fa ny tena tia
Dia afaka hitia
Anatin’ny manjombona
Ny zavatra tsy mety
No mainka hampiombona
Ny lalàna toa ety
No mainka hifandrindràna..
Ny riaka manindao
Sy mampihanahana
No mainka hitenenana:
“Roso izaho sy ianao,
Tsy misy hanenenana
ClarisseRATSIFANDRIHAMANANA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Hevitra mandeha
hjravs
(
24/04/2015 09:01)
misaotra an'i Andry 1000 nampiditra an'ity tononkalo 'ty, fa 'zaho tena mankafy ny tononkalon'i Clarisse R.
rfanomezantoky
(
24/09/2019 12:17)
Izany tokoa kay moa ilay tia e! Voaray ny hafatra 😊
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Clarisse RatsifandrihamananaNampiditra : andry 1000
Daty : 24/04/2015 04:47