You are here: home > Vetso

MAMA - Clarisse Ratsifandrihamanana

MAMA

Fony teo ianao
Izaho mihevitra mihitsy
Fa ampy ahy hatrizao
Ireo taona vitsivitsy
Ahafahako mijoro,
Samirery, tsy hatoro!
Manko kosa lasa ianao tsy tàna
Ary tsapako mazàna
Fa manao fanahin-jaza
Mikavia, solafaka aza
Mitady zahatra hamaharana
Toy ny olo-nosomparana
Mbetika mirenireny
Ty zanakao tsy misy reny

Raha tanilanao fahiny
Zany izaho no tsy tamàna
Miaiky aho ankehitriny
Sarobidy ianao ry Mama!

Hevitra mandeha

andry 1000 (24/04/2015 06:44:27)

mba tena tiko sy tsy afaka ambavako io asa soratry Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA io, kanto loatra

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Clarisse Ratsifandrihamanana


Nampiditra : andry 1000
Daty : 24/04/2015
Mpamangy : 2480
Mankafy : 3

Tononkalo hafa

Hitako nitafitafy.
Fantatro
Mbola hisy
NY TENA TIA