Faraveloman’ilay RENISIFAKA (Edena Mna)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho an’ilay malala
Resy izato havanao, tsy afaka hanoatra,
Te hiangavy sy hitraotra
kanefa,….. be ireo mpampahory,
Atody amim-bato, tsy afaka hiady akory

Zary lasa fiainanay ny mifindrafindra lasy,
Zary fahazaranay ny mandry fotsy sy ny mihafy
Ankehitriny anefa reraka, …, niezaka tokoa fa dia izay aloha no vita
Voafingana an-dalana ka tsy afaka hiampita.

Ny ratra mafy, ny aina miha-kely
Ka ny hany fara-hery
Dia aleo aloha aho hiteny izay mba vetsovetsompoko
Aborako aminao ny taraina sy toloko izay niainanay matetika

Ataonao ny tavy hampitombo be ny vokatra,
Dia mihitatra ny afo, mananika tsy tohitra.
Misomaritaka ny voary, « vonjeo ny aina hoy ra-hazo ,
Tsy fidiny ahy ny hiaritr’afo, fa tsy afaka ny ho aiza,
« Ra-hitsikitsika itsy miantso hoe mihavota tena, milomaiza mafy,
Mba ento ilay atodiko ao raha toa mba zakanao, fa ny afo mihamahery mantsy »
Kanefa moa zahay, na dia manan-tongotra izay afaka hietsika,
Dia mbola ady mafy sy difi-janahary vao mety tsy ho rendrika
Fa raha misy zato, efa fifaliana loatra ,
Raha toa ka ampy telopolo ireo mba tafavoaka
Irony vorona manidina, heverina ho sambatra satria hoe manana helatra
Dia mbola misy ihany iray ampahadimy raha tahiany kely indrindra no may kila forehitra

Asa raha hodinao fanina ho tsy mahalala,
Fa izahay miaramisalahy no mikolokolo ny ala,
Ny antokotokonay no mampiroborobo azy, hampilatsaka ny orana,
Koa tandremo tsara : raha toa kely ny vokatra, izahay ringana no olana

Miakatra ny hafanana, ritra ny loharano, dia hoy ianao hoe, fa inona no nitranga ?
Aiza no misy banga ?
Fa hoy aho hoe, tsy ny herinao irery, na ny hezakezakay
No afaka hampody hasina izato tany hay
Koa ndao hiara miaina ‘ndao hiara hikolokolo,
Ianao tsy ho faty, izahay koa ho lava volo

Fa ilay zanako farany entin-jokiny iny
Noho ny hetraketrakao, dia ho kamboty na dia tsy nofidiany
Rano raraka ireny, fa ny hataka farany mba hiangaviko anao, izao no hafatra hapetrako
Iny zanako iny, aza avela hizaka intsony ny magidy sy mafaitra mihoatra izay efa niharetako!

Edena Mna (May 2025 ho fankalazana ny iray volan'ny zava-manan'aina)
--------
Rohy:
164 1
Mpakafy: EdenaMna
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Edena Mna
Nampiditra : EdenaMna
Daty : 10/10/2025 21:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115