NOFY (edmond randrianandrasana)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia tony ary ianao ry malalakoArt hitako amin'ny endrikao
Fa hainao ny manafina ilay sarin-kintana
Nalavon'ny andro
Izay mbola tsy Maty
Toa mamitsaka sy miha manantona
Raha vao mahatazana ny hofa-tanany
iry renin'andro an-dakira
Izay ho lasa voninkazo
Natao ho fihiran'ny Foko
Eny ry kanto indrindra o!
Tsara safidy
Raha misakaiza amin'ity maraina mahery
Ry kanto indrindra
Nanam-bintana ka tafapita
Teto amin'ity zaridainan'ny fanadinoantsika
Ary hoy ianao hanakam-po
Tsy misy fakam-boninkazo intsony ety
Amin'ity sahan-dravi-maitso nofinisinao
Ry volana voahala-janak'alina
Avy ao amin'ny fahakambotiany
Hiara-kandoko ireny sarin-draozy tanora
Nivoaka avy amin'ny nofin-kintana very
Izay handravaka ilay boky maitso
Kambotin'ny rivotra
Afenin'ny lanitra
Ka tsy tazako
Afa-tsy ao amin'izato masonao
Raha manopy maso ilay lohateniny
O! Ho taitra ka dia hiantsampy
Eto an-tratrako tsy hahay hiteny
Eny! Ry mamiko indrindra
Afa-tsy ny hoe:NOFY!..
Edmond randrianandrasana 22 novambra 2017
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : edmond randrianandrasanaNampiditra : randrianandrasana
Daty : 22/11/2016 20:43