Ho an'i R... (Elysé Azrael)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fony mbola tsy ary ny lanitra sy tany,
Fony mbola tsisy ireny kintana ireny,
Ny fanahintsika efa nisy tamin'izany,
Ary efa niara-dia, nihelohelo teny ho eny...

Fony isika roa fanahy tsy hary nofo,
D'efa nisy teny ho eny, niara-nifofofofo
Nitety ny habakabaka, niara-niriaria
Sy niara-nilomano tamin'ny onin'ny doria...

Ka raha toa isika tsy avela ho mpinamana,
Raha toa ny tananao tsy ho azoko tantanana,
Dia aoka koa hianjera ny lanitra eny ambony,
Mba tsy hitempoan'ny foko fitia ho anao intsony!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
145 1
Mpakafy: Azrael666
Hevitra mandeha
Azrael666 ( 22/08/2026 11:21)
tena hoe waooh! Mankasitraka Ikalamako a! Tsara be ery anie ny antsa ataonao e
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0156