Tiako ianao kanefa indrisy (Elysé Azrael)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ianao kanefa, indrisy!
Ny fitiavanao tsy nisy,
Nefa atao ahoana moa,
Fa sendra aviavy tsy namoa,
Ka niala maina
Sy nangaina...

Tiako ianao kanefa, indrisy!
Ny fonao tsy nety mihitsy,
Ny fandavanao nahery
Hoe ny fitiavana tsy an-tery,
Ka dia nangina aho
Fa tsy tianao...

...Nefa izaho efa voafatotra...
...Ny fitiavako efa matotra...
Tiako ianao kanefa, indrisy:
Ny fitiavanao tsy nisy!
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
20 1
Mpakafy: Azrael666
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0261