Ampidiro aloha ny tenimiafina
INDRAY FARARANO (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INDRAY FARARANOIndray fararano
no nitiavako anao
ka manganohano
f'efa any izy izao.
Indray fararano
no nanova antsika ;
nikopaka ny vano
ka eto tsy sariaka.
Indray fararano
no nahitana vazo
rehefa nilomano
falifaly ka giazo.
Indray fararano
no nampiray fitia
ka mbola angano
mamiko ho doria.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana - Fisarahana - Fifaliana - Fiaraha-monina - fiainana - Eritreritra mandalo - Alahelo - Aingam-panahy - ahy
