DISO AHO (Zoky Eric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ifonako malala fa tsy mety ny nataoko.
Ireo nolazainao,indrisy tsy nahoako.
Nampijaly anao aho, nampirafy anao.
Diso aho,nefa tsy misy azoko hatao.

Tsy anjara ny antsika, eny tsy anjara.
Na tia aza ny foko, efa voarara.
Ilay fitia niredareda, indrisy efa nangatsiaka.
Tsy anjara ny antsika.

Nofinofy fotsiny, ilay hiaraka ho doria.
Ilay teny mamy reko, hoe ianao dia tena tia.
Tantara fotsiny ihany, ireo efa vita.
Ianao efa tsy tia, ka nisitaka tsy hita.

Hivavaka aho ho anao, ahita ny tsara.
Ny antsika roa anio, dia apetrako ho tanantara.
Hivavahako ilay rafiko, mba hanaja anao.
Tsy tantiko haheno, ny fijalianao.

Ny ao andohanao, tsy hiverina intsony.
Atao ahoana moa,efa lasan'olona ny fony.
Noho izaho ihany, no nahatonga izany.
Tsapako izy zao, ka mampirotsaka tomany.

Tsara tsodrano, izao angaha no anjara.
Malehova malasana, mahita ny tsara.
Tsy anjara ilay fitia, ka atao ahona moa.
Aleo mampionina ny fo, mampitraka ny loa.
--------
Rohy:
2569 0
Hevitra mandeha
Avotra09 ( 02/12/2018 08:57)
Msaotra e!
Shcwarzeneric ( 08/01/2019 20:34)
Mankasitraka anareo mpamaky.
H_Eric ( 19/05/2019 21:35)
Hafatra kely. Miangavy re mba hilazao izahay mpanoratra vao maka ny asasoratray ianareo mpankafy e! Taitra be aho mahita ny sombin'ity tononkaloko ity natao hira. Tsy ho tononiko eto ilay artiste fa raha hitanao ity hafatra ity miangavy anao aho mba hiresaka amiko ao anaty fb H.Eric fa tsy mety amiko ilay zavatra ataonao.
hery ( 20/05/2019 16:01)
Nampidirinao teto tamin'ny déc 2018 ity tononkalo ity. Taorian'izay ve no nivoaka ny hira? Sa mety hoe hitany tany amin'ny toeran-kafa ilay tononkalo?
H_Eric ( 26/05/2019 05:10)
hira vaovao ilay izy, na tato na tany anaty fb no nahitany azy, ilay hira andray sendra hitako tao anaty youtube ilay mpihira aloha mpihira vavao e, nataony otrireny mamaky tononkalo ireny ihany ny feony fa ny fiv no novany, rnb ilay izy. Tsy anjara ny titre nataony.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoky Eric
Nampiditra : Shcwarzeneric
Daty : 02/12/2018 06:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143