TSINDROM-PITIA (Zoky Eric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsindrona ity fo
Fa nahita olon-droa
Mifampiondakondana ery ampita ery
Samy miangola miantso hoe "cheri"

Izaho tsy te hijery
Satria izaho irery.
Ka iny aho no lasa namonjy ny ankany
Tsapako nanindrony ny ati-foko izany.

Dia inona ary
Sa hijery sary ?
Hijery sarimihetsika hanalana sorisory
Eo ambony fandriana sady matoritory

Izay no aleo atao
Hataoko dienizao
Ô ry lanitra ô. Fa loza inona ity ?
Fa tantaran'olona tena mpifankatia

Tsy mampite hijery
Satria izaho irery
Verivery saina fa tsy manan'olontiana
Dia tapakevitra ary fa hitady ho kotiana

Tsy dia manan'endrika
Fa ny toetra atao mendrika
Izay no fika tsotra hitako fa mety
Hanova fahoriana hiova lasa fety

Dia lasa aho sakaiza
Nitady anao hatraiza
Ka tojo ahy ianao,izay olona tsy haiko
Nisy hery mafy nanosika ny saiko

Ny hibitsika aminao
Izy ao ampoko ao
Naniry ny hitady aho no sendranao izao
Ka tonga dia lazaiko "Tiako loatra ianao"

page fb: H_Eric
--------
Rohy:
801 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoky Eric
Nampiditra : shcwarzeneric
Daty : 10/06/2020 18:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108