IANAO NO FOTOTRA (Hasina)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha diso fanorenana,Ny fototra ijoroana
Dia hisy famerenana
Tsy maintsy iantohana
(Ny folo taona ho avy...)
Raha ny tenanao no diso
No nataonao olon-kafa
Ahoana ny ampitso
Raha sendra tsy foafafa
Ny lesoka navelany
Ianao tsy maintsy hijoro
Fa hiaina ny korontana
Ny rafitra hikoro
Fa ny faka no nongotana
Nefa ianao no fotototra,
Raha ny fototra no hevitra
Inona no amboarina
Amin'ny tany izay miorina
--------
Rohy:
Mpakafy:
Hansinosoavina
