Misy foana Ianao (Hasina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa tena zatra ny misinao rehetra,
ny tontolo androm-piainako.
Tsy sitraky ny foka, raha mbola misy fetra,
hanefitra amintsika, hoy ny feon'ny fisainako.

Masina ny teny nifanoloratsika,
"Hitambatra doria, tsy ho ravam-pahafatesana".
Anefa, raha zohina amin'ny zavatra efa vita,
dia tsapa ihany koa fa misy fandrefesana,
tsy afaka hioharana.

Vita ny voady, fa ny fasana no nino,
hoe: "Nifankatia isika, hatramin'ny ora farany".
Ireo fotoana niarahana, sanatria ho hadino,
fa mitoetra ho fisiana, am-poko lalina any.

Nifanaiky isika hoe: hatao ny mariazy,
dia voatondro koa ny daty, tao anaty resadresaka.
Kanefa, io indrindra no nanapaka ny tady,
niova ho fahoriana, ny ho fety be marevaka.

Misy foana ianao, ao anatin'ny tontoloko,
tsy eken'ny saiko mihitsy, ilay ianao nandao.
Inay nofoanantsika, ilay fotoana efa voatondro?
Fa io no nanamaloka an'izao tontolo izao.

Ny marina ekeko: izaho no efa maty,
fa tsy afaka miaina irery, tsisy anao.
Izaho no tena resy: izaho no tsy mahatanty,
fa ianao no mbola velona, ao anatiko ao.

Ny foko mitahiry ny fifankatiavantsika,
Ny vatana, fambara ny sarin'ny fisiana,
Fa isika no efa miorina hatrany am-paradisa,
Iainantsika izany, fa tsy akory faniriana.
--------
Rohy:
32 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hasina
Nampiditra : Hansinosoavina
Daty : 24/10/2026 08:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0109