Famoizana an'i Om Gui (Heriarilala Andriamamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny misinao tsy foana
fa am-poko lalandava
Hiezaka aho hiala saona
tsy ho malo-tava
Satria ny maminao efa zary monina
Ny tononkiranao no matetika hotononina.

Ny vatanao no tsy eto
fa ny feonao mbola reko
ka mampiloatra sento
Nefa tsy maintsy ekeko
ny fahalasana anao
na mafy aza izao.

Tena lasa ianao...
tsy hitako intsony...
Mino aho izao
ka miezaka ny hitony...
Kanefa ny ranomaso raraka
fa tsy mety ho lafatra
ilay tontolo foana anao
Ka ts'hitako ny hataoko

Hany faraheriko
velomiko ao anaty
hanasitrana ny feriko
ny anaranao tsy ho faty
Hoezahiko efaina
ny rehetra hafatrao
Dia horaketina ao an-tsaina
ny fitiavanao...

#Heriarilala
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
51 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117