Om Gui (Heriarilala Andriamamonjy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny anaranao tsy foana
fa am-ponay lalandava
Tsy hitoerana ny saona
na dia maloka ny tava
Satria ny haminao efa zary monina
Ny tononkiranao no matetika tononina.

Ny vatanao no tsy eto
fa ny feonao mbola re
ka mampiloatra sento
ny angalinao voafehy

Nielatra iny ianao...
tsy ho hita intsony...
Ny hany azo atao
dia miezaka mitony...

Hany farahery ny mamelona ao anaty
Mitsabo izany fery ilay hafatrao tsy ho faty.

#Heriarilala, Jona 2015
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo
10 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116