RANOMASO TSY MAHALENA AFO (Heriarilala Andriamamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RANOMASO TSY MAHALENA AFO

Tsy hahalena afo ny ranomasonay pôeta
Be loatra ny ankaso, tafahoatra ny herisetra
Ny tanin-janakay no ataonao montsamontsana
Misamonta ny antsojay, nitobaka ilay nihontsana

Tsy hampitsimoka ny maina ny tomaninay mpanoratra
Ny efa karakaina va mbola mety ho lonaka ?
Izahay moa hanao inona rehefa izay no sitrakao
Saingy tsy ho azo ampanginina na dia somparanao.

“Tsy vitam-po onena na vitan-dranomaso”
hoy ny tononkiran’ireo mivavaka tsy ankiato
fifanampiana no ilaina na koa fandavan-tena
ka nahoana no simbaina itony firenena ?

Raha misy lonilony dia ao mifandamìna
Efa tsy tanty intsony ny resaka fiadiana
Fa tsy famotehana no hampiharina eto
Ny tanindrazanay aza arehitra, lehireto !

Heriarilala Andriamamonjy 10/10/2022
--------
Rohy:
59 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0168