ADY (HERIMIKALO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ady ny fiainana, tsy mety resy
Nandrasana ihany mba ho lefilefy
Kinanjo vao maika nidangana hatrany
Ny vidim-piainana ka mampanontany.

Andrasana ihany mba hisy fahagagana
Handaozana lavitra ity fahantrana
Mba ho velom-bolo fa tsy ho karakaina
Inty tanintsika efa dia toa hazo maina.

Dradraina eran-tany fa hoe:” manan-karena”
Nefa rehefa tomorina dia tany honena
Tsy manana akory na dia ny ho harapaka
Ny zaza mandady aza efa mangataka.

Ny karama amin’izany mihendanja hatrany
Vao tsy misy herinandro dia indro fa lany
Midangana loatra ireo zavatra ilaina
Hofan-trano, ny jiro,…ka tonga dia maina.

Ireo tsy miasa indray tsy voavaha ny olana
Satria tsy misy hantenaina amin’ny faran’ny volana
Dia izay mba azo… izay no halahatra
Mitady foana e! tsy mba mitsahatra.

Ny vidin’ny solika tsy lazaina intsony
Fa midangana hatrany tsy mety mitony
Lazaina fa manana ity gasikara
Nefa hatramin’izao toa mbola tantara.

Izaho mino anefa fa any volana, any taona
Tsy maintsy ho tafarina ity gasikara efa noana
Hivoaka handresy, ho tafita ny ady
Ka ho tany vaovao, salama, tomady.

Ireo mpitondra anay omeo saina hendry
Tsy hivily lalana fa hanasoa ireo nanendry
Hanatanteraka marina ny filan’ny vahoaka
Fa tsy ho be resaka fotsiny, manao resa-toaka.

Koa ampio re ry Tompo ity taninay
Vonjeo fa mijaly, marary izahay
Aza avela ho resy na ho faty mosary
Fa tolory izay mety mba ho lavorary.
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1227 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : HERIMIKALO
Nampiditra : HERIMIKALO
Daty : 12/10/2013 08:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157