IZAHO S’ILAY TIAKO (HERIMIKALO)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry olona tiakoMalalan'ny foko
Ianao no hitokiko
Sady tsy foiko
Ianao ilay anjara
Finidy eto an-tany
Ka mba aharitra tsara
Ho am-parany any
E! Izato isika
Rehefa miara-dia
Toa be mpitsiriritra
Satria samy tia
Tsy mba mifanary
Tsy mba mifandao
Fa dia lavorary
Izay rehetra atao
Rehefa tonga ny olana
Dia indreo isika roa
Iray lalan-kizorana
Ka mifanampy tokoa
Dia maivana aok'izany
Ireo enta-mavesatra
F'isika miaraka hatrany
Tsy mba mety ho ketraka
Fa tiako ianao
Ianao tia ahy
Tsy mba mifandao
Satria samy sahy
Dia vonona hiroso
Na inon-kidoana
Hiady sy hilofo
Mba hiara-miroana
Ilay tokantrano
No handeha hajoro
Ho tsara tso-drano
Ka tsy hikoro
Ho fenoina fitia
Ity tokantrano
Mba ho doria
Fa tsy hidiran'angano
Hifanampy isika
Hifarimbona koa
Satria izay no midika
Fa iray isika roa
Dia olona roa
Tsy afa-misaraka
Fa iray fo
Izay no mitambatra
Ka henika antsika
Ny tontolom-pitia
Toa tsy misy tomika
Ka sambatra ery
Toa tsy eto an-tany
Fa ambony rahona irony
Satria makamamy
Ilay fitia tsy hitony
Mifampizara fitia
Na izaho na ianao
Natao izany satria
Mba ho fiainam-baovao
Ka hamaranako azy
Ndrao lava loatra
Hiarak'izay
Hatrany ankoatra
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy