Nahoana!? (IdealySoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
-Tsy mety maty ny afom-pitiavako anao,
Niezak’aho namafa, nikosoka, namono,
E! mbola miredareda, mbola mamono lolo;

-Niantso aho mpamonjy voina,
Mba hamono ity afo:
Nikiaka mafy ho tsaboina,
Fa tojon’ny atao hoe ankaso;

-Vitako daholo izao rehetr’izao,
Akory ny hagagana,mbola io foana ianao.

-Manadino anao toa sarotra,
Ny tsy hahatsiaro anao: tsy ho hay,
Ny alokao, mandindona, mamaritra,
Fitiavako, vonoina maika mahamay.

-Nahoana ianao no mibahana,
Tsy mety miala ato an-tsaiko?
Nahoana koa no nofaranana,
Anton’iray, izay tsy mba aiko!?

-Nahoana re, tena nahoana,
Nahoana ihany koa, nahoana??

IdealySoa
21/08/07- (10:00)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1049 0
Hevitra mandeha
mirananirina ( 12/11/2010 15:16)
Nahoana,tsy ahitam-baliny.indrisy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : IdealySoa
Nampiditra : IdealySoa
Daty : 05/11/2010 13:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147