ora (iLémamy A)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ora,tsy azo averina;
Ora,mampanenina;
Ora,zary lasa tamberina;
Ora,tsy hay leferina.

Ndrisy ry ora,miodina moramora;
Nefa vetivety dia hoe tapitra ny ora;
Ry ora,ataoko ahoana ny hitazonao?
Fa hay ianao toin'ny rivotra,ka hiainako tsotr'izao.

Ry ora,fetran'ny fiainako;
Ry ora,fetran'ny fanaintainako;
Ry ora,rivotra hiainako;
Ry ora,ampy hisainako;

Lay ora,mampihevina;
Nefa toa vetivety foana dia ho levona;
Ry ora,harena sarobidy;
Ho atelinao avokoa,reo tsiaroko na mamy na mangidy;

Ora,tsy aiko ho tambatambazina;
Ora,tsy azoko lavina;
Ora,efa voasoritra;
Ora,tsy haiko atosika.

Raha migadona lay ora farany;
Ho tapitra hatreto indray ny lalany sy ny tantarany;
Ho lefy mangina ny azy ny ora;
Hangina mandrak'izay,hikipy moramora.


iLémamy A
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana
1004 2
Mpakafy: pia - ILEMAMY
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : iLémamy A
Nampiditra : ILEMAMY
Daty : 29/03/2016 15:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0209