Ianao (Imbitika Rambala)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAONa fijoro na tsanganana
Na tarehy koa na bika
Raha ianao tokoa dia manana
Tsy misy hoy aho izay tomika
Tena lafatra ianao !
Dia indro aho maminavina
Izay fiainana hiarahana
Na izao na any aoriana
Tena tsy hisy fanahiana
Izay toetranao hiafiako
Ny ahy kosa hanariako
Izay tsy mety hifanamboarana
Ka na ho aiza hiarahana
Mino aho fa ho vitantsika
Ny handikadika
Fahasahiranana
Koa dia ho hasambarana
Tena mety tsy hifarana
Izay no hiarahana
Kanefa
Lasa indray akia ny saiko
Manindintsidina tsy haiko
Raha ianao tokoa no ho malala
Dia izaho ve no adaladala
Miriotra mantsy ny vinaniko
Fa toa tsy hety amiko
Ny hiaraka aminao
Satria
Raha izaho sahy tena sahy
Tena vonona tanteraka
Fa izao no mampanahy
Ity izaho ange ka reraka
Ka na inona no hamboarina
Na inona koa ho resaka
Dia angamba isika tsy ho tafarina
Na inona ihany koa toky
Dia izao no tena marina
Ny fitia ange tsy maha voky
Koa
Ianao hifiaka fihafiana
Izay no tena fahoriana
Ho ahy
Imbitika Rambala - 11/08/2017
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
