Izay akia ny antsika (Imbitika Rambala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAY AKIA NY ANTSIKA
(Izay no niainana)

Ilay fombanao - indrindra ireo fihetsika
Toa maotina kanefa koa pelipelika
Ilay mifanahin-jaza toa adaladala kely izay
Maha sadaikatra ahy saingy toa tiako indray

Ireo mba hirahirako asianao saikiny
Ireo masonao minjola sy ny kaikany
Ny maha ianao anao tsy misy an-kamehana
No maha voatazona ahy na dia maha kehana

Ny hasosoranao tamin'ireo ditrako
Rehefa fantatrao na dia nasitriko
Ny fanginanao hatrany rehefa tsapanao
Ny lanjan'ny fitia izay natolotro anao

Ny tsy fahampiana izay niseho matetika
Izay nitolona antsika fa tsy nahafefika
Izay akia no vita - Izay no niainana
Izay akia ny antsika - Izay no mba fiainana

Imbitika Rambala - 20/01/22
--------
Rohy:
42 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0111