Manina e (Imbitika Rambala)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANINA E,Erikeri-dririnina iry an-keniheny
Mamanala tsy ahaloavan-teny
Dia rivotra misioka toa misento
Mangina mangina e izahay eto
Fa ny masoandro toa malaindaina
Savolaina nefa tsy te hitaraina
Dia gina izahay tsy maha loa-peo
Rahoviana no hiverina indray ianareo
Vavahadiko io efa mikatona
Rahoviana indray vao mba hisy hanatona
Efitrano koa ity toa babangoana
Rahoviana indray no ho tafahoana
Dia ny alina mangina sy diavolana
Dia ny alokareo no mitolantsolana
Ny torimaso ity mikomy tanteraka
Manina re ka tongava hiresaka
Imbitika Rambala - 10/06/19
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
