Ny lasanao (Imbitika Rambala)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
?? ??????? Ny tsiambararoa tsy lazaina
Dia tsy hoe fitia malaindaina
Fa tena fitandroana
Ilay tiana tsy ho voadona
Fa matoa tsy ambara
Dia fantatrao tsara
Fa mety tsy ho tantiny
Izaho anefa mino
Fa any an-tratranao any
Ianao mba manontany
Inona avy no efa vitany
Kanefa moa ve ho sitrany
Raha hadinina azy izany
Dia aleonao mangina
Dia ahodinao ny saina
Fa ny ahy no tena loza
Satria manao be fiavy
Ary tena mamosavy
Ny eritreritro
Fa tsy mba manontany
Fa manameloka avy hatrany
Satria misovoka matetika
Ny lonilony aman-tetika
Hany ka indraindray
Manery sy mamaivay
Ary lasa mifangaro
Amin'ny hasarotam-piaro
Fa mba fitiavana hono izany !
Dia mody hoe matoky
Kanefa dia tena misoloky
Satria tsy mety fa mitsara
Ka ilay fitokiana very
Dia mararirary anaty samirery
Ary izay ilay zavatra tsy tsara
Sombinaina,
Ny lasa sy fahininao
Anao ireo ka hajaina
Fa ny ho avy no antsika
Io no tokony handrandraina
Sy habahana ao an-tsaina
Koa ho ahy tsy hampitroatra
Ny ao am-ponao tsy miloatra
Rambala Rambala - 22/12/17
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
