Sento mandeha singany (Imbitika Rambala)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
????? ??????? ???????Fa nangina hoy aho ilay kamory
Toa nofy ilay tsiriry roa
Nifampisangy teny -
Nangina koa ity farihy
Fa ny harefo sy ny zozoro sisa
No mifampila kisa ety -
Itony kijàna filalaovana aza
Tototra antsoro mila handavo -
Iny baiboho iny moa inoako
Fa mbola mitadidy ireo kalonay
Dia kalon'ny dina, kalon'ny toky -
Ary teto am-patsakana teto iky
Teto no nanifihako ny rano toho-jinga
Fa nihantako ny tan-tanam-bazo
Efa ho tototra antsanga izy ity -
Dia izaho sisa no vano tokana am-parihy
Finonjan-toky nomena re
Hany ka tazotazoina be ihany
Koa mba ho sitran'ody hatelina ihany ve
Izato fanaviako izato
Mba ho afa-panafana ihany ve ny aretiko
Satria sento mandeha singany ny ahy -
Imbitika RAMBALA - 19/03/26
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
