Tody, hoy ianao (Imbitika Rambala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TODY, HOY IANAO !

"Tody, hoy ianao ! fisaina-ntaolo izany
Fa ny fetsy ihany no tafita eto an-tany"
Dia izany no hiainana nefa isika Malagasy
Ka halevina ny marina halevina ho faty

Fa ianao nantenaina ho vato hifaharana
No mamadika lalàna ho feno fiangarana
Dia manindry hazolena sy manao zana-drafy
"Ny tody mboa hoe ela ve no tsy hanaovan-dratsy !"

Toa miangatra ny Lanitra fa ny vono olona avy
No tsy misy todiny ary koa tsy maha voasazy
Hatramin'ny halatra fivarotan-Tanindrazana
Dia sahy nototofana hangina tsy ho tazana

Fa nankaiza loatra lahy ny soatoavina fahiny
No soatoavina hafa indray dia ny fifanomezan-tsiny
No entina hampanjaka ilay hoe "Ny vola no andrianina
Koa ambakao ny tsy mahay poteho tsy hotafarina"

Ny Andriamanitray tokoa no ela vao midona
Dia manararaotra ianao sy mamono ny finoana
Nitaizan'ny Ntaolo anao hoe:"Mba hajao ny maha olona
Fa tsy ny Malagasy kosa no hataonao sorona"

Imbitika Rambala - 12/09/18
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
42 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0113