Valin-kafatr'i Neny (Imbitika Rambala)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Valin-kafatr'i Neny Rehefa voatsiahinao
Ilay topy maso anao alohan'ny hatory
Ilay tanako manarina raha potraka
Ilay tratrako fiantorahanao raha Ory
Ilay namafako ny ranomasoanao nirotsaka
Ary
Rehefa ianao tsy manontany ahy intsony
Rehefa ianao manan-javatra afenina
Rehefa ianao sahiran-tsaina tsy mitony
Dia mba mitrerona rehefa ka tenenina
Rehefa olon-kafa no ao an-tsainao mibahana
Rehefa injay koa nihoaranao n'y haiko
Rehefa ianao mahatsiaro izay niarahana
Ka inty miverina mamangy ahy EFA midraiko
Rehefa ianao indray no mampianatra ahy
Dia mibango ny voloko no mahafinaritra anao
Dia mitondra fanomezana Mbola mahatsiahy
Rehefa ireo rehetra ireo no zavatra ataonao
Dia tsy mila ahy intsony ianao
Imbitika Rambala - 14/01/19
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavan-janaka
