sangim-pahasambarana (IVS Ilay voromailala Sariaka)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola kely ianao dia fantatraEny tan-kibo no efa nisantatra
Ilay kanto tena sambatra
Noventsoina fa ho sambatra
Tsy rediredy fa safidy
Hanohizana ny didy
Dia ny didim-pahasambarana
Hahatonga ventson'olon-tsambatra
Nolalovanao ny fahazazana
Nodiavinao ny hatanorana
Nankafizinao ny miaina
Hahasambatra ny aina
Toa misompatra ny tany
Manafosafo ny tomany
Eny miangatra ny fiainana
Ka manjary feno fitarainana
Tsy manadino na misangy
Fa efa nomeny fa tsy tamby
Ny fiainam-pahasambarana
Fanomezam-pahasambarana
IVS
(27/08/2008 )
--------
Rohy:
Mpakafy:
endrika01
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : IVS Ilay voromailala SariakaNampiditra : voromanoa
Daty : 28/08/2008 11:36