" REHEFA MATY AHO " (Jasmina RATSIMISETA)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ho avy, Ralala ny taona hodiako
Ho ambanin'ny tany tsindrian-drangolahy,
Ka ny vato manjary kidoro hatoriako,
Dia izao no zavatra mba ataovinao ahy :

Voleo voninkazo eo ambonin'ny lohako :
Fotsy sy Mavo ary manga sy mena;
Ka avela haniry eo mandra-pifohako
Mba hanofisako ilay fanekena.

Ny "Fotsy" ho marik'ilay fahadiovana,
Fotsy madio fa tsy azo lotoina,
Natao orim-baton'ilay nifanaovana
Ho soratra velona tsy azo vonoina!

Ho vavolombelona manaporofo
Fa misy fitiavana iray sy maningana,
Fitiavana marina tsy miova na miofo,
Hijoro mihitsy tsy hety ho voafingana!

Ny endriny "Mavo", ny fofony manitra,
Dia fivavahana ataoko any an-danitra,
Mba hitsinjovany anao tsy ho irery,
Hombany raha sendra tsy misy mpijery!

Ny "Manga" ho marik'ilay fihafiana
Niaraha-nitondra ny zava-mangidy,
Dia ny andro namoizana 'zay fifaliana
Niaraha-niaritra zava-tsy fidy!

'Lay lamba manify niaraha-nitafy :
Aza adinoina indrindra, tsy maintsy ampombaina
Mba hahatsiarovako antsika nihafy,
Nahita ny sento nihatra aman'aina.

Ny "Mena" no taratry ny "Afo tsy maty"
Mirehitra lava ao anatin'ny foko,
Dia Fitia, Fitia tena anaty,
Fitia voakase sy mitomboka loko.

Ny fasako ataovy ao eo andrefan-tanàna,
Ka ataovy mikasika ny ila-kamory,
Ka soraty eo ny tenin'ny fanantenana :
"Tsy maty aho akory fa mbola matory"

Ny ilan'ny rano voleo volotara
Ka jerijereo aza avela ho maina,
Dia tarafo ny rano sy jereo tsara
Fa tsy miala eo aho raha tsy efa maraina.

Ka indray andro any raha toa mahatsiahy
'Lay roso any an-tany fandraisam-bahiny,
'Lay lasa ho "avelo" sy tonga fanahy
Jereo eo ny sarin'ny andro fahiny!

Tarafo ny rano fa ho hitanao ao
Ny nakako voahirana indray maka izay,
Ka tsarovy ny teny nataoko aminao
Raha nanolotra anao ny sampahony iray;

Na dia maty aza ny tenako be,
Ka hiraraka an-tany ny ra ao am-po
Ny fitiavako anao ka mipetraka anie,
Tsy miova tsy akory, eny tsy mb ho lo!

Tsy ho aiza tsy akory fa mbola hitoetra,
Tomoetra aminao tsy mahazo mandao;
Hiaro anao tsy haratran'ny tsilon-draketra,
Ny tsilon'ny senton'izao tany izao!



J. RATSIMISETA
(Sampan'Oliva, tak.11-13)
--------
Rohy:
3270 2
Hevitra mandeha
TononkaloNM ( 11/11/2021 20:05)
Nianatra zavatra indray aho androany! Hay ve J. Ratsimiseta no nanoratra ity hiran'i Mahaleo ity! Misy tononkaloko iray mila ahitsiko. ....Mahay izy ka❤️!
ajnal ( 05/06/2023 17:55)
Hafa ihany izany mpikalo teny izany ka!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Jasmina RATSIMISETA
Nampiditra : MAZ RAMANA
Daty : 11/05/2021 07:05
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114