Maniry manitra (Jayah Razafi)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
mihevitra ho mpanjaka manoloana filanjana
ary koa efa miatrana ny mpilanja mahatoky
toy izany indrindra ny foko aky malala
feno fahatokisan-tena vao eo anilan-droky

dia mihevi-tena mihitsy ho olo-manan-kaja
handeha hanitsaka irony lamba menamena
toy izany indrindra ity foko mifaly havanja
raha vao lalovanao handeha ho any an-tsena

ary mihevi-tena koa ho toy ny volana baliaka
ka afaka hitsinjo anao hatraiza hatraiza
ka manara-maso sy tsy resin'iza dohika
kanefa aza isika roa tsy mbola mpisakaiza

adaladala ho'aho ny fo rehefa tia eh
ny zavatra tsy misy dia terena fotsiny any
inoako mihitsy anefa izao fa ny ao an-tsain-dry
dia mpinamana isika, tsy misy an-koatra izany

Jayah Razafi
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
693 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147