Va tsy tsapanao ny lanjan (Jayah Razafi)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Va tsy tsapanao ny lanjan'ny fitiavako?!
Moa tsy henonao ny tsirony nomeko?!
Aleo averiko indray fa tiako ianao rahavako
Ka sanatria ho ahy ny hanome anao izay sento

Va tsy inoanao ny toky izay natao?!
Moa tsy tazanao ireny fihetsiko hatrizay?!
Raha toa tsy ampy dia averiko izao
Tia anao ny foko,ary ho mandrakizay.

Jayah razafi
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
561 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014