vazon'ny manina (Jayah Razafi)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
te ho any kanefa tsy sahy
asa nahoana angaha?!
te hisidina kanefa tsy afaka
matahotra sady mitsatsaka

te hiteny kanefa he miahotra
ndrao tsy hahazaka ho lavina
te hamihina nefa matahotra
ndrao voatosik'ilay notiavina

te hijery na mba hahita maso
ilay salovany ho ody an-doha
te hiantso hanao hoe andraso
hitsaboana ity aretim-po

te hiondana an-tratrany izany
kanefa izy ity tsy eo akory
dia ny saina no alefa any ho any
hisintonana nofy matory

te hihanta sy hidongy fitia
toy ny zaza minono amin-dreniny
dia ny saina no alefa hankafy
mamorona izay tiana hoteneniny

izany ny vazon'ny manina
sy ny hira foronon'ny sainy
dia io fa tsy mahatelin-kanina
manonofy ilay andrandrainy

izany hoy aho ny vazon'ny tia
kanefa dia lavi-malala
izy eto fa mihevitra ho arĂ¿
toa olona efa lasa adala

Jayah Razafi

17/07/2018 03:02
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Fitiavana
589 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155