fitia (joachim michael)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rakotr'aizina ny tontolo nohon'ny alahelo lava izao Ka maratra koa ny fo tamin ny ady izay natao
Lasa izay nananana,nafoy koa ny teo an tanana
Nampijaly mnampahory,ilay fitia toa tsy hita akory
Ny fanahiko mitia dia mivezivezy lava
Minia sy mitia nefa mora malazo
Mangorintsina ny vatana miandrandra hafanana
Mivalohalika ny fo raha vao mahatsiaro ny taloha
Ny fitia tsy be dia be fa misy fetrany ihany
Nefa izy no mahery dia tadiaviko hatrany
Ka raha mbola velon aho dia haziko ny fitia
Mba ho paradisan tany ny fo mifankatia
Ho tiako izay tia raha tena fo madio
Hiandrandrako voka tsoa sy fitiavana tsy manam paharoa
Dia ho adinoko ny lasa sy ny hery setra mafy
Satria tonga ilay mahery dia fitia manan kery
--------
Rohy: