ALEOKO IHANY NOFY (Mahalia❤✨)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ALEOKO IHANY NOFY

Angamba raha ho to ilay nofinofintsika
Dia tsy mba tambo hisaina izay mety ho disadisa
hanamontsana ny kely fahasambarana
s'ilat mba hany nitambarana
Angamba fahoriana no handom-baravarana
sy hisosoko an-daharana
(ka aoka mihitsy aloha e)
Aleo tsy hipendapenda handrehitra mololo
Fa mafimafy ihany ilay hoe arahin-dolo
amin'ny fitiavana
Ny tena koa Malia tsy mahay mamindra irery
Somary osaosa ka matahotra ny ho very
raha tsy misy anao mitantana
(...)
Raha tsorina ny marina
Dia aleoko ihany nofy f'any mba milamina
(Tsy misy mampanahy fa mamikely foana)


Mahalia❤✨
--------
Rohy:
86 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mahalia❤✨
Nampiditra : Djess
Daty : 10/10/2024 09:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152