MANDRATRA NY MARINA (Mahalia❤✨)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"MANDRATRA NY MARINA"?

Malala a, ''diso ve aho sa mbola hotsaraina?''
Minia tsy mahita ity tady mankadiry eny ambohozononao?
Ny foko ve no adala sa ny hatrany anilanao
no hany mba hahitako ny hakanton'ny maraina

Melohy aho raha diso fa tsy mampaninona ahy izany
Tsinìo koa raha manota fa zakaiko foana hatrany
Ny hany tokana mba haiko izao dia ianao no fahasambarako
Ka raha tsy eo ianao hitantana,tsy todiko ny lalako

Tsy ahoako intsony mihitsy izay mety ho fiampangana
Fa na ho heloka io na ditra na mihitsy ho adalana
Tsy misy hahasakana ahy raha hoe ny hitia anao
Fa amiko efa ianao no izao tontolo izao(ko)

Ka tsy fantatro aho na ho diso na hanana ny rariny
Fa nomena fo hitia aho dia nitia izay mba maminy
Kanefa ianao tsy ahy fa ihany nangalarina
Tsy ahoako izay tsy faly na mandratra aza ny marina

Mahalia❤️✨
005020221011
--------
Rohy:
30 1
Mpakafy: Djess
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mahalia❤✨
Nampiditra : Djess
Daty : 12/03/2026 17:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0217