SIRAKY* (Mahalia❤✨)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SIRAIKYNy soratro dia fofon'ny tany,
Mitondra ny hanitra vao!
Siraiky* mandrava tomany
Ho ankafizin'ny fanahinao.
"Poezia" izay nateran'ny foko
Mamboly ny teny tsy handao,
Siraiky* mandroaka toloko.
Fanaperan'ny kanto ho anao!
Mety ho teny nindramina ihany,
Fa maharitra kosa fisiana;
Tsy hitsahatra hisidina izany
Ho famenon'ny lanitra tiana.
Koa raiso ho ela-panahy
Ity fofon'ny tany voadio ;
Ho rakitra soa sy voatahy
Ao anatin'ny omaly sy anio.
Mahalia❤✨
19122025-17022026
*Siraiky: hanitra na fofona manitra entin’ny tsio-drivotra.
--------
Rohy:
Sokajy :
Literatiora - Aingam-panahy
Mpakafy:
ZavonaRakoto - Djess
