Tia (Mampikanto)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
« TIA »



Teny sarotra lazaina
Ny hoe « Tia »
Ary toa manimba saina
Indraindray ny mitia…

Saingy Tsy maintsy hoe mitia
Io fitiavana io mazana
Mampandefitra eritreritra tsy tana
Mahalasa ny vinany …satria tia!

Io fitiavana io anie
Raha tena alalinina
Toa zary hevi-dehibe
Ka mahatonga anao ho tia

Raha hitia anefa ho aiza?
Zary sarotra ny dia
Tsy mora anie ny mitia !!!

Ho anao izay tafiditra
Mahereza izany dia
Vato sy sakana indrisy !!!

Hitia ianao ka dia mahereza
Fa ny fandrika mideza
Ikipio ka adinoy
Fa ilay fitiavana no banjino!!!

MAMPI_KANTO (18/08/03)
--------
Rohy:
5731 0
Hevitra mandeha
ysless ( 06/03/2010 10:29)
tena tsara le tonokalo ka , tena nahay namorona mintsy tw eh
pisokelinah ( 01/10/2010 07:33)
mlay be e!!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mampikanto
Nampiditra : mampikanto
Daty : 29/10/2003 07:35
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095