***SARANGOTRA*** (MAZ RAMANA)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
*************SARANGOTRA************

Tsongoy mafy hivoa-drĂ ,
...ny fo raha saika hiantsampy,
Kitaho ny hetsiny, bedeso!
Fa iny olona iny, fantatrao efa hatry ny ela,
Fa mpandalo, tsy hitoetra!

Raha saika hanantena,
...dia anio, mamoiza foana,
Fa tsy ho vitanao mora,
...ny maningotra amin'iny : ny fatoran-tenanao
...sy ny antom-piainanao rehetra!

Saintsaino izay ho avy,
Fa raha ny ho aviny efa fantany :
Tsy ho anao mandrakizay!
Tsy hampaninona azy izany, tsy hanova ny onjam-piainany,
F'ianao no efa variana!

Ary aza afaika na mangidy,
Anjaranao ka hionony,
...f'efa fantatra izy izao!
K'aza fatra-pisarangotra! Hatelomy re! Mangina!
Ry "Tsy mendrika ho Tiana"!


Anjaramalala RAMANAMANJATO
24/01/2023
22 : 15-22 : 30
--------
Rohy:
427 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MAZ RAMANA
Nampiditra : MAZ RAMANA
Daty : 02/02/2023 10:54
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106