SITRAKA (MAZ RAMANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Olo'niriako sy nitalahoako
Nanadinoako ny siakan'ny latsa!
Valin'ny vavaka feno ato ampoko,
Adin'ny fahatanorako mahantra.

Ilay efa nandrasako hatramin'ny ela
Ilay tena hatokisako tsy mba hiofo.
Sanatrian'ny vava na adinon'ny lela
Ho mandrakizay tsy hampirafy ny foko!

Sitrany foana izay kely nananako,
Izy no tena fitiavana marina
Maminy foana izay asan'ny tanako,
Tiany ninoana sy tiany fantarina.

Ny androko mantsy hatramin'izay,
dia kisendrasendra sy fanahy iniako
Fa tonga izy nampahafantatra ahy
...hoe : inona, sy iza no antom-pisiako.

Nanaraka ahy foana nanomboka teo,
Nilanja ny ziogan'ny làlam-pinidiko,
Misotro tsy satry, na mamo na leon'
...ny heroka maintin'ny fiaina-mangidiko.

Izy no mbola hiondrehako hatrany
Izy no sitrako ho tena anjarako
Hitrongisako mandavan-taona amin'ny tany!
Adidiko avy amin'i Jehovah ny zanako!

Tsarovy r'izany malalako izany,
Tsy hahafoy anao aho nahoviana na hoviana!
Misaotra fa nisy anareo teto antany...
Fanantenana sy Malalatiana!



Anjaramalala RAMANAMANJATO
21/06/2022 à 11h16.
--------
Rohy:
548 2
Hevitra mandeha
MAZ RAMANA ( 29/06/2022 16:04)
Mety misy fomba ahafahana mamihina ilay Mpihantsa mivantana ve azafady? Mankasitraka indrina Serasera!
ikalamako ( 02/07/2022 10:27)
Fihina be, virtoaly ary aloha e... am-piandrasana sao mba hihaona mivantana. Misaotra foana fa "miaina" be mihitsy koa aho miantsa ireto tononkalonao tsara rindra.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MAZ RAMANA
Nampiditra : MAZ RAMANA
Daty : 21/06/2022 08:26
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151