Takelaka (SLAM) (MpiangalyPoezia (Zo Harinirina))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAKELAKA,

Nilaza ny hamadika takelaka aho teto
Nefa tsy foiko avela ireto takolakao ireto

Hiverenako ireo andro alohan'ny androany
...
Anatin'ny andro iray isika impolo mifandramatra
Izaho maditra, ianao no mpananatra
Ireo voady nifanomezana natao teny filamatra
Miady foana isika nefa tsy nifankafoy
Isaraka ho vita, hifanadino tolona
Maro ny tsara f'ianao hafa raha samy zanak'olona
Mande hoazy ny peniko rehefa ianao no miteny hoe;
''Anaovana poezia iray dia mba fonosana azafady''
Fitiavan'olondroa tsy ilaozana adiady
Salama ny vatana, ny fo tsy mety tomady
Misaraka adin-roa avy eo mifampitady
Ny tena mpifankatia tsy mifampiantso tody

Fitia toa irony horonantsary dramatika
Te hisento kely aho ka aleo mba hisy doka
Mpanao hosodoko tsy nety ho romantika
toa an'i Dicaprio amin'ny Titanic
Fehezanteny efa reko matetika
''ianao aminy maha izy anao no tiako''
Ka naleoko nijanona ho ''authentique''
Satria ny fanahy hono no maha olona
fa tsy ny endrika amam-bika
Fitia telo taona hono resin'ny fahazarana
i Fahazarana nefa toa tsy mety resin-tsika
Ny fitiavantsika mihamangatsiaka,
ny fifandraisana ''toxique''
Mitady ho rendrika ny sambontsika,
Ny fonao ontsa lava, ny ondako kotsa lava
Fitia anaty haizina ampototry ny mazava
Endrika maloka misoratra amin'ny tava
Satriko nefa raha fifaliana no hanenika ny tavanao
Teny mamy no aloakin'ny vavanao
Malala!!! Avelao mba hisento kely
aloha ny havanao ...

Nilaza ny hoe hamadika takelaka aho teto
Nefa toa tsy foko avela ireto takolakao ireto.

MpiangalyPoezia

Fanamarihana: Izy ity dia slam ka ialana tsiny amin'ny teny vahiny teny antsefatsefany fa tsy nahita teny malagasy nahadika azy aho.
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
143 1
Mpakafy: hjravs
Hevitra mandeha
hjravs ( 30/10/2024 09:53)
Fitiavana daholo, anefa, izany. Vahaolana kely: Avadika ny takelaka dia ny dika mitovin'ny takolaka ampanarahana eny ihany, DD
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MpiangalyPoezia (Zo Harinirina)
Nampiditra : MpiangalyPoezia
Daty : 25/10/2024 19:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0129