Kanton'ny Alina (NekenaAndrià (Kanton'ny Alina))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
injay, maneno ny anjomara.
Ndeha, hody, fa izany ilay fambara
Vita ny asako androany,
Fa ny ampitso mbola eto ihany,

Rera-dreraka ny vatako,
Dia tongotra no lalako,
Mandeha irery toy aloka,
Mihaino hira dia misatroka.

Arivariva ao an-trano,
Tsy takariva ny olo-mamo,
fa, fahanginana eto ny ahy,
Tonga an-trano, tsy marary tsy manahy.

Etsy anie enao ry Zanako,
Izarako ny hafaliko, sy ny tontolo andro niainako.

NekenaAndrià
23/01/2026
--------
Rohy:
72 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NekenaAndrià (Kanton'ny Alina)
Nampiditra : NekenaAndria
Daty : 23/01/2026 09:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0112