Mangidy (Niavo nekena)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANGIDYInjay fa reko ilay famantarana
pamoa ahy isa-maraina
Dia hiarina amin'izay fa
maneno ny akoho sy ny sahona
Ô! Vao nihiratra ny masoko
ny sariny no tonga ao antsaina
Ilay tokana mba nantenaina
Manaloka toy ny rahoana
Reko mandratra misoko mangina
ny any anatiko any
Hila tsy ho zakany saina
Manindrona mafy ny fo
Isak'alina bongo tomany
Marary tsy zaka tokoa
Ny sentoko lava,
mila rivotra manga
Hamoa varavarana
No indro nivimbina tsiky
nitsena ahy vao maraina
Ilay volam-penomanana
Tonga ho namana mba hiantana
Sy hiangotiana ary koa izalana
Ary koa ilazana ny tsiambara telo
kobonin'ny foko
Driiii...izato akantony e
Toa mapisinda ireo alahelo
izay mapitoloko
Saingy..tsy nisy ora telo
dia efa nidify ilay namako teo
Nikisaka mora nanjoy
niakandrefana dia..
iny fa dilaTsy hitako avieo
Dia ireo ny olona fa
mitombo,miamaro,mikararentsana
Ka nandimby azy ilay
masoandro niposaka antsinanana
Tonga indray ny sentoko
Satry tokoa raha hizarana
Fa ity adala ity
Tsy mba mety zatra,maratra
Rakotra alahelo jaly sy toreo
Nefa hiaretana foana
na dia mangidy ny zava-miseo
-----Nyavo Nekena-----
--------
Rohy:
Sokajy :
Alahelo