ANDRAIKIBA (Nofenoina Natiora Nitsimoka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANDRAIKIBA

Ry Andraikiba,farihy mangeniheny
Etsy ange ianao bitsihako kely e!
Ny tantara nisy teto androany a!
Mba tehirizo tsara any ambany lalina any

Mba tandremo tsara tsy ho voatelin'ny trondro
Ka ho very hanaraka ny fintan'ny mpanjono
Ataovy tsara angona dia vato atao tsindriny
Tsilo mba volena,ataovy solon-drindriny

Any andro iray,ianao mbola ho eto
Hitantara manontolo ny tranga nisy teto
Fa teto 'lay poeta voababon'ny poeta
No nitomany fatratra
Nifangaro tamin'ny tavany ny ranomaso sy orana,
Niara-nipatrapatraka...

Nandena sy namotika 'reo ravin-taratasy
Notazonin-tanana efa mangovitra mafy
Tsy nahatohy nandrakitra ny rediredim-pony
Ny ranom-penina koa mandry,tsy velona intsony

Mantsy...
Ireo antsa nifamaly,natevina fitia
Nifanaovan'ireo poeta roa nifankatia
(Tamin'izany)
Dia nanakoako teto,ako sisa re
Naverin-tendrombohitra sy ny hazo maro be

Fa'lay poeta tiany,efa ela tsy re feo
Tsy veloma nifanaovana,tsy tandindona niseho
Tsy nisy soritra nahafantarana ny mety zotran-dalany
Angamba,niova lokom-penina dia niova koa ny tantarany

Fotsiny,soratra fohy nifehy raozy tokana
Nisy nanatitra indray takariva
Hoe: mandehana eny Andraikiba...
Fa nasiako sarin-tanana eo ambonin'ny vato iray
(Sarin-tanako ankavia)
Dia apetraho manandrify azy koa ny tananao havia
F'izay no hampifanantona ny fotsika hifangia.

NOFENOINA NATIORA NITSIMOKA
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
24 0
Hevitra mandeha
Azrael666 ( 22/01/2026 18:40)
Misaotra e! Tandremo fotsiny sao mitsoraka ao Andraikiba.hihi...
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0122