ARITRO (Nofenoina Natiora Nitsimoka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ARITRO ✍️

?Toa foton-kazo lali-paka aho,
Tanivon'ireo sedram-piainana samy hafa
Efa in'arivo nitolefika navezivezin-drivotra
Monja tamin'ny faka no sisa f'efa ambivotra

?Fa asa tananao ry Ray
ka tsy navelanao ho irery
Satria natiora ho porofon'ny misinao mahery
Nohazominao mafy tamin'ny tananao havana
Mba tsy hiongom-paka ka tsara fifaharana

?Ka na aza hanapitr'isa n'y olana hiseho
Sahy manenjan-tsandry aho hisetra azy ireo
Ny mety hitolefika,tsy laviko
Fa kosa ny hiongotra,tena sanatriaviko

?Nanamafy ahy ny lasa
Ka na ny toa natao ho mafy aza
Nisy tsy tsikaritro
Hay,ampy hery aho ka aritro.

NOFENOINA NATIORA NITSIMOKA

04 Jona 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
77 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118