KINTANA TELONOHOREFY (Nofenoina Natiora Nitsimoka)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KINTANA TELONOHOREFY ♥️♥️♥️♥️Topazo maso kely ange
Ny ali-maizimbolana e!
Fa tiako ianao hamisavisa
Ireo kintana tomefy,
Anivon'ireo kintana an'alinalin-kisa
Dia 'reo telonohorefy
♥️Kintana milahatra miisa telo monja
No mandravaka ny foko eo an-danitra fitia
Natiora tsy hay sarahana
Fa efa voaforona ho natiora mifangia
♥️Ny kintana voalohany,
'Lay olona iray tiako, amin'antony tsy haiko
Manenika ny foko sy ilain'ny fiainako
No sady eken'ny saiko
♥️Ny kintana faharoa,
'Lay olona iray tiako
Amin'ny toetra adaladala keliny
Maherihery sangy
Sy mahazaka sangy mihoatra
F'io tsy hoe tsy fahamatorany
Ihany koa tiako
Amin'ny fomba fanehoany kanto
Anatin'ny asa sorany
♥️Ny kintana fahatelo,
'Lay olona iray tiako
Amin'ny endrika sy bika
Saingy tsy voavinan'ny masoko
Ny toetra miafiny tsy hita.
NOFENOINA NATIORA NITSIMOKA
20 Mars 2024
Andro iraisam-pirenena ho an'ny poezia
??
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofenoina Natiora NitsimokaNampiditra : NofenoinaNatiora
Daty : 22/01/2026 10:56
